MIVERENA - Derasoa RASOLOSATA Anjaratiana

Derasoa RASOLOSATA Anjaratiana

Mientanentana


I- Miverena ianao ô! ry ondry nania
Fa ny Tompo Jeso miantso anao
Aza ela ianao, miverena modia
Fa havelany ireo helokao

II- Miverena ianao ô! ry ondry nania
Fa tsy tiany ho very ianao
Na mpanota aza ianao, izy anie mbola tia
Sasa-miandry hatramin'izao

III- Miverena ianao ô! ry ondry nania
Tambitamby no handraisany anao
Aza ela ianao, mihainoa, mamalia
Ndrao ho neninao izao ditra izao

Réf: Atolory ny fonao anio
Raiso izy ho sakaizanao
Hasmbarana soa, fiadanana koa
No atolony anao