Natolotrao ho avotray (Ny ra nilatsaka) - RAKOTOARIVONY Noël

RAKOTOARIVONY Noël

Do dia C
Miadana
https://www.youtube.com/watch?v=D3o6_F70O38


Ny ra nilatsaka ho avotray ry Tompo ô!
Tsy mendrika ho anay nefa dia nafoinao
Ho fanavotana ireto farahidiny
Ny ra nilatsaka tonga nivelomanay

Iza intsony re no sahy hirehareha
Raha nahita ilay hazo nijalianao?
Ny hazonao Jesoa no horaisiko hatrizao
Ary ho hatrizay ho fialofana