Noely Fifaliana - Manitra Andriaharifara

Manitra Andriaharifara

Noely Fifaliana


Tao anaty alina mangina
Tong'ilay mazava, ilay Mesia
Anjely marobe, nanambara hoe
Teraka Jesô, henoy ange
Any Betlehema an'i Jodia
Tong'Ilay Masoandro nibaliaka
An-tranom-bilona, nofinidiny
Hantanteraka ny didiny

Andro hafa ihany
Ankalazaina eran-tany
Hianao ry Noely ô
Andro maminay
Feno fitahiana
Hirao ny hira vao
N'aiza n'aiza ilasina
Ry Noely fifaliana (2)
Ry Noely fanmbinana (2)
Hira no hirao, mba hanako ao
Ry Noely fifaliana