Noely mamintsika - Antoko mpihira

Antoko mpihira


Noely mamintsika

Tonga ny Androm-pifaliambe
Ny Noely mamintsika
Zovy amin-tsika no tsy ho mirana eh eh
Manoloana ny Tompontsika

1-Isan-taona lava izao
Injao mihoby ny rehetra
Na dia izao tontolo izao
Tsy mba misy tafatoetra
Tafatsangana avokoa
Mankalaza ny tsitoha
Dera laza Haleloia
Ny tsy mpankasitrak'aza
Toy ny hoe mankalaza
Dera laza Haleloia (Haleloia)...... Tonga ny.....

2-Moa tsy efa fantantsika
Isan'andro mitombo isa
Ka na dia ny jentilisa
Te hahazo Paradisa
Tsy Noho ny amin-tsika
Na ny soa vitantsika
Fahasoavana Doria
Isan'andro Dia ambara
Aminao ny filazan-tsara
Ny olona mifankatia(Haleloia).... Tonga ny....

Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
(fytam's kwelly)