Maneno ny Lakolosim-piangonana, mampahatsiahy fa tokony hiomana ianao ary ho avy mba hiara-mivavaka sy hisaotra ary hidera an'Andriamanitra. In-telo ny feon-dakolosim-piangonana, fa indray mandeha monja ihany ny lakolosin'ny Paradisa
1.Rehefa maraina ny Alahady 2.Hafa faneno mandrotsirotsy
Mandre lakolosy ny mpianakavy, Ny lakolosin' Ambohipotsy;
Miantso hivavaka sy hivory Mitaona hibebaka moramora
Fa handinidinika Baiboly; Ny feon-dakolosy eny Alasora;
Satria ao no misy ny famonjena. Manaitra hitady izay marary
Izay sarobidy toa volamena Ny lakolosin' Anjanahary.
Kanefa zaraina tsy amidy vola Dia mifohaza àry ka avia
Fa tena maharitra tsy mba tola; Hoy ny lakolosin' Ambanidia;
Ny lakolosy miantso anao Feo maromaro manoina anao
Derao ny Tompo Andriamanitrao; Hivavaho ny Andriamanitrao;
Hiray feo eran' ny nosy Aza variana fa manatona
Fa manenoneno ny lakolosy! Ny fanahinao aza hadinoina.
3.Miantso anao mba handini-tena 4.Ny lakolosin' i pasitera,
Ny lakolosin' Ambanitsena; Na koa lakolosin' i mômpera
Koa aza tsiniavina velively Milaza fanomanana fanahy;
Ny feon-dakolosin' Analakely; Vonjeo ny lanitra aza manahy.
Miangavy anao tsy hihenahena Lakolosy voalohany sy faharoa
Ny lakolosin' Antanimena; Dia midika mihomankomana;
Aza hamavoina àry fa tsiahivo Ny fahatelo eo ihany koa;
Ny lakolosin' i Mahazoarivo; Reh'fa mandroso ny fiangonana
Na misy faty na mariazy, Ny lakolosin' i Paradisa
Ny feon-dakolosy milaza tsotra Maneno tampoka tsy hitahita;
Fa ny eglizy no vavahadin' Tokam-paneno: isa dia isa
Ny eto an-tany sy ny any an-koatra. Raha tsy mihomana izay no vita
Ny Lakolosy!