Raha tonga teto - Njaka Rajaonson

Njaka Rajaonson

Do dia G
Bà gasy
https://www.youtube.com/watch?v=cyJHdDHv_O0


Raha tonga teto an-tany Hianao
Jesosy o Mpanavotra anay
Dia tranon'omby no hany nivantananao
Fa ny trano tsara tsy avy mba handray Anao Jesoa
Fa efa feno ny andrianan'izao tontolo izao

Fa ny foko koa Jesosy o! Tsaroako
Na tsy mendrika aza Tompo novangianao e
Eny zarako Jesosy o ! Nahafantatra tokoa
Fa tsy tonga Hianao Jesoa hiantso ny marina

Fa ny mpanota zay vonon-kibebaka
Dia sahy aho niantso Anao Jesoa
Mba hitoeranao ny foko hatramin'izao

He sambatra ny fo izay mangetaheta Anao Jesosy o
Hiara-dàlana amin'ny fiainany
fa toloranao tokoa ny fiadananao Jesoa
Ka na misy ny olana Hianao Jesoa no heriny