Ray mpahary - Brillant Eloge

Brillant Eloge

tempo : 95-102


Ny tarapahazavana avy atsinanana
Ka tomarataratra, tony mahafinaritra
Ny alina mangirana anjakan'ny volana
Tompoin'ireo kintana, kanto mamirapiratra

Ireo voninkazo manendrika sariaka
Firavaky ny tany ravo, ravo miramirana
Ireo vorona mivazo, mikalo eraky ny ala
Ny rotsy fahasambarana

Ireny rehetra ireny dia mampiseho imasonay
Ny fahaizana, ny fahefana sy ny voninahitra.
Haleloia! He hosana! Dera sy laza ho Anao
Ry Mpanjaka Tompo Tsitoha, Ray Mpahary. Amen!