Ry Tanindrazanay Malala o! - Norbert Raharisoa et Pasteur Rahajason

Norbert Raharisoa et Pasteur Rahajason

Do dia Bb
Hiram-pirenena Malagasy
Hymne national Malgache
https://www.youtube.com/watch?v=SkqjeOdD5Rg


Ry Tanindrazanay malala ô !
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa

Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity.
Hiadana sy ho finaritra
He ! sambatra tokoa izahay.

Ry Tanindrazanay malala ô !
Irinay mba hanompoana anao.
Ny tena sy fo fanahy anananay,
'Zay sarobidy sy mendrika tokoa

Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.