MIlamindamina. Araho ny toro-mari-piatoana mozika (punteggiature musicali)
1. Sambatra izay, izay madio am-po
F'izy no hahita ny Ray;
Sambatra koa ny mpa... dia ny mpampihavana;
F'izy no atao hoe zanak' Andriamanitra.
Sambatra ny noana sy mangetaheta
Mila fahamarinana;
Fa hoy ny Tompo aminy: Ho voky tokoa izy;
Sambatra ny miantra fa hiantrana koa.
Fiverenana: Mifalia ianareo
Fa lehibe, lehibe ny valim-pitianareo
Any an-danitra any;
Sambatra tokoa ka sambatra.
2. Sambatra ny ory fa hampifaliana;
Sambatra izay enjehina
Ary asian-teny ratsy noho ny Anarako;
Ho azy ireo ny fanjakan' ny lanitra.