Tanora mandray, mino, mizara - Rabefitia Mianoka f.t

Rabefitia Mianoka f.t

bassesa


Dera sy laza ho anao anie ry Ray fa nanome aina soa vaovao
Ndeha ary isika hifampitantana hiara hampandroso ny filazan-tsara
velomy ao am-po ny fitia tsy mba ritra
ekeo ny tompo fa hampandresy izao......
Ndeha ary isika hifampitantana hiara hampandroso ny filazan-tsara

Aza variana fa mandalo ihany anie ny hatanorana sy ny herinao
Ndeha mahereza amin'ny asa soa ho reharehan'ny tompontsika
velomy ao am-po ny fitia tsy mba ritra
ekeo ny tompo fa hampandresy izao
Ndeha mahereza amin'ny asa soa ho reharehan'ny tompontsika

Ho anao izay tsy mbola miorina
Meteza ho havaozin'ny fanahy
Ndeha re hialao ario ny sampinao,raiso Jesoa ho mpamonjinao
Velomy ao am-po ny fitia tsy mba ritra
ekeo ny Tompo fa hampandresy izao
Ndeha re hialao ario ny sampinao,raiso Jesoa ho mpamonjinao