Tao Kalvary - Lanny WOLFE / Tojo RANDRIANAIVOJAONA

Lanny WOLFE / Tojo RANDRIANAIVOJAONA

Do dia C 3/4 Grand Choeur
Surely the presence
https://www.youtube.com/watch?v=ka1LYWILGm0


Ny alina nialoha ny fanekena
Nitokana Kristy
Tao an-tsahan'ny Getsemane
Nivavaka nitalaho
Esory amiko re ry Ray
'Ty kapoaka mangidy ity
Nefa aoka tsy ny sitrapoko no atao fa ny Anao

Jesoa Mpanjakako novonoina Ianao
Nofantsihina, nohomboina, latsa-dra
Tsy nandà nilanja ny hazo fijaliako Ianao
Nampahoriana toy ny olo-meloka

Tao Kalvary, izy nijaly
Eso sy kapoka no nanjo Azy
Diam-pantsika teo an-tànany
Nanoloran ny rany soa ho fandiovana manavao ny fo

Fa tsy foiny ny ho very
Zay rehetra mino azy tsy ho very
Fa mba hanana fiainana
Fiainam-pahasambarana an-danitra

Fa natolony ny Zanany Kristy
Hamonjeny antsika ondriny ety