Tonga ilay fiadanana - Rajerimanana

Rajerimanana


Tonga ilay fiadanana
hampifaly ny saina hamelona ny aina
azo raisin'ny tanana
Ilay mpitondra ny famonjena
ilay hanavotra ny firenena
fony irony ady sesilany mavany
handry fehizay ny eto an-tany hatrany
fa Jehovah no mijery ka manangona ny very
Ny rehetra afa-pahoriana tahiana
tsy mba misy olona zoviana fa tiana
fa Jehovah tsy miova hanome ny lova