. do= C
. tempo 88
. Structure :
PRELUDE
AND 1
REFRAIN
INTERLUDE
AND 2
REFRAIN
INTERLUDE
AND 3
REFRAIN
REFRAIN
TRANO FIVAVAHANA
1- Fa masina tokoa Andriamanitra
e, fiandrianany irony lanitra
ary fitoeran - tongony ny tany
koa ankehitriny Izy manontany (hoe ) :
REF1: " Ho trano manao ahoana re
no mba hataonareo ho ahy ?
moa ve ho trano 'zay hivavahana
sa zohy fieren'ny jiolahy. "
2- Ry Zanaky ny fanantenàna
hananganana ny tranon'ny Tompo
andeha miorena tsara ary aza miova
fa lanitra ny antsika no lova .
REF 2 : " Ka ho trano manao ahoana re
no mba hataonareo ho ahy ?
moa ve ho trano 'zay hivavahana
sa zohy fieren'ny jiolahy ? "
3- Tsy trano nataon - tanana no ilainy
fa ny fonao mihitsy re no iriany
Izay mendrika honenan'ny Tsitoha,
Fa io no tena lapasoa tokoa .
REF 3 : " Ka ho trano manao ahoana re
no mba hataonareo ho ahy ?
moa ve ho trano 'zay hivavahana
sa zohy fieren'ny jiolahy ? "
> > >TONONY : Abel sy Tsito > FEONY SY SOLFA : Rakoto - Niriana Tsiry Hariravo