TSY MANANA OMENA - Jimmy Lala

Jimmy Lala

Fanamarihana roa. (1) Tandremo tsara ny paika tsambikina (sautillé, saltellato) amin'ny "solo" refy 17, 18, 21, 22, 25, 26, 29. Azo atao "solo" vehivavy na lehilahy na mifandimby. (2) Ny refy 30 dia tsy misy feo fa toy ny fitenenana tsotra hoe "an, an, an" fandavana, misy filantoana miaka-midina


Fiverenana:
Tsy manana homena aho ry Jesoa, Jesoa
Na volafotsy, volamena, ry Jesoa, Jesoa.
Ny foko kely mahonena, ry Jesoa, Jesoa
No hany mba fananako.

1- Ny Magy Gasipara, volamena no nomena,
Ny Magy Melkiora, dia nanolotra ny miora.
Ny Magy Baltazara: zava-manitra no anjara
Fa ny ahy? An, an, an…. Tsisy fa mangahiahy.

2- Ny mpiandry ondry teo, tora-kovitra izy ireo,
Ny anjely maro be nihira fiadanam-be
Etsy, eroa, mahavariana: safonono-kafaliana;
Fa izaho? An, an,an…. Tsy hitako izay hatao.

3- Ry Maria, ry Josefa, izaho koa mba ta-hanefa
Fanome hafakely, ho an’i Jesoa Zazakely;
Sarobidy, lehibe: ho Azy irery io ange;
Holazaiko? An, an, an…. Ahy irery sy i Jesoa!