Zaho Manantena - Antoko mpihira

Antoko mpihira


Zaho manantena

1-Angamba ts'isy nanampo mihitsy
Tsy misy nanampo tokoa hafa-tsy olom-bitsy
Fa tao an-tranon'Omby no indrisy
Finidin'ny tsitoha hiavian'ilay Jesoa

2-Nanetry tena be tokoa ny Tompo
Nandao ny lapa tena soa Finidin'ny hanompo
Fa na dia izany aza ve moa ts'hinoako
Hanolorako ny fo ho anao ry 'lay Jesoa

Isan'andininy:fitiavana, fitiavana
Ambony Hatrany Tompo no Atolotrao Ahy
Nidina Ianao Nandao ny lanitra
Tena ho tontosa ny famonjena
Zaho manantena

Fitiavana, fitiavana
Ny fo sy saina fanahy dia Atolotrao ahy
Ravo ny foko fa babony tokoa
Tena ho tontosa ny famonjena
Zaho manantena
Tena ho tontosa ny famonjena
Zaho manantena

Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
(fytam's kwelly)