Jesosy no tena vato fehizoro - Ndriana Ramamonjy

Ndriana Ramamonjy

Do dia D

https://www.youtube.com/watch?v=wnKnbSA5TdI
Mpihira : Fara Andriamamonjy


Rendrarendra ve sa fifalian'ny maso koa
Sa endrika ho levona na felana halazo koa
No hanorenako izany tena fiainako
Ianao Jesosy irery no tena vato fehizoro

Ka na orana hifafy na ny rivotra koa hifofo
Tsy mba hanantahotra aho tsy hangovitra aho
Satria vato mafy no tena mandampiainako
Ianao Jesosy irery no tena vato fehizoro

Eo Aminao no tena irafetako
Hitombo tsara ho tempoly masina ao Aminao
Mba ho fonenanao sy Ilay Fanahy Masinao
Ianao Jesosy irery no tena vato fehizoro