Ianao no heriko - Bessa

view
Bessa
Hira nosoratan'i Bessa

1- Mifaly aminao ny foko Andriamanitra ô
fa miposaka ny taratry ny lanitra

Ref:Tononkalo vao no indro izao ateriko
Tompo ô Ianao no tanjako sy heriko

2-Manazava ahy ny endrikao somamby
Ravo ny fanahy fa voatambitamby

3-Ny androko omaly maratra raha atambatra
Toloranao fitia ka tony sady sambatra