Aiza no misy Anao, ry Jeso ? - N/A

N/A

Fa


Aiza no misy Anao, ry Jeso, fa ny foko mitady Anao.
Toerana aiza, toerana aiza no mba hahitako Anao,
Ô ! ry Jeso, ny misy Anao aiza moa ?

Aiza no misy Anao, ry Jeso, mangetaheta ny foko izao.
Toerana aiza, toerana aiza no mba hahitako Anao,
Ô ! ry Jeso, ny misy Anao aiza moa ?

Mahantra aho no mitady Anao
Aiza Iano, Ianao, ry Jeso
Ny entanay dia mavesatra ery ê
Ry Jeso, ny misy Anao aiza moa ?

Mpanota aho no mitady Anao
Aiza Iano, Ianao, ry Jeso
Miasa tsy miato, ka sasatra ery ê
Ry Mpanafaka, aiza moa Ianao ?