Ampanekeo - Daniel RANOASON

Daniel RANOASON

https://youtu.be/PrliTK3n_Ns?si=3trsWJhO09n7NXEn


AMPANEKEO (Daniel RANOASON)

Ampanekeo ny fitondranao ho mahasoa
Izahay ry Tompo Andriamanitray, ry Ray Tsitoha !
Ampanekeo ny sitraponao tokoa, tokoa
Izahay raha safotry ny zava-manjo

Dia aok'ho tsapanay, ry Ray, ny tànanao mahery
Izay manafosafo manasitrana ny fery
Ô mba ataovy velon-tsoratra
Ao anatiko ilay Fitiavanao
'Zay tsy miova no sady tsy mandao

Ampanekeo ny Famonjenao tsy miafina
Izahay ry Jesoa Tompo tena tia, sy Masina !
Ampanekeo 'lay fahefanao izay mahay
Mampitony ny onjan-dranon'ny fiainanay

Dia aok'ho tsapanay, Jesoa, ny tànanao mahery
Izay manafosafo manasitrana ny fery
Ô mba ataovy velon-tsoratra
Ao anatiko ilay Fitiavanao
'Zay tsy miova no sady tsy mandao

Ampanekeo ny fitsapàna mihatr'ety
'Zany tenako na dia malemy aza Jesoa tia !
Ampenekeo ny fisedràna atolotrao
Mba hahazaka ny hazo fijaliako iza

Dia aok'ho tsapanay,Jesoa, ny tànanao mahery
Izay manafosafo manasitrana ny fery
Ô mba ataovy velon-tsoratra
Ao anatiko ilay Fitiavanao
'Zay tsy miova no sady tsy mandao