Aleo hamoaka ny fihetseham-pony ny mpihira “duo” rehefa mihira azy. (Efa nahita nitomany aho fa tsy maninona rehefa voatana tsara ny rindram-peo).
1.Aiza no misy fiadanam-po,
Sy fanafody mamelona aina;
Aiza no mety hahitako koa,
Fanatoniana ny saina?
Satria mafy loatra, toa tsy ho zaka
Ny adim-panahy izay manjo;
Endrey! fa mijaly noho ity ratra,
Izay mianjady ato am-po.
2.Aiza no misy fiainan-tsy loza,
Soa sy maharitra, feno hafaliana;
Aiza no misy fitia tsy miova
Tsy seranim-pahoriana;
Satria mafy loatra, mahavery fanahy:
Zioga maningotra aina,
Toroy lalana re aho ry lahy!
Jenjina tsisy antenaina.
Fiverenana:
“Anaka o! manatona aty,
Izaho manana ny tena fitia,
Sady mizara izay ta hanana:
Izaho no Fiadanana!
Izaho Ilay Jesoa Famonjena tokoa,
Mahay manasitrana ny aretim-po:
Atolory Ahy re izato fiainanao
Fa omeko aina vaovao;
Satria raha ny olona mety mandao,
Izaho kosa tsy hahafoy anao!
O! Maitia ka AVIA"