Andriamanitra tsy mandao - Laurent Rakotomamonjy

Laurent Rakotomamonjy

Bà Gasy
Do dia Bb
AC : Laurent RAKOTOMAMONJY


Ry mpanota ô tsarovy fa Andriamanitra tsy mandao
Andriamanitra tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no maniasia mandeha mizotra amin'ny ankavia
Fa Andriamanitra tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no mamilafila sady mitady ny toa tsy mila Azy
Fa Izy dia tsy mandao e! tsy mandao anao

Vehivavy :
Fa raha nanafatra/ anao Izy/ ka niteny nanao hoe
Lalan-kely arahina fa aza mizotra ny lalam-be
Tsy nino an’izany ianao fa io hoy ianao no hita fa tena tsara
(4 voix) Nefa io izoranao io hay any andavaka no miafara

Ry mpanota ô tsarovy fa Andriamanitra tsy mandao
Andriamanitra tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no maniasia mandeha mizotra amin'ny ankavia
Fa Andriamanitra tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no mamilafila sady mitady ny toa tsy mila Azy
Fa Izy dia tsy mandao e! tsy mandao anao

Lehilahy :
Fa raha naniraka/ anao Izy/ ka niteny nanao hoe
Ndeha torio/ ny Filazan-tsara ho ren’/ ny olona maro be
Ianao tsy nitory fa/ natahotra hifandona amin’i losifera
(4 voix) Tsy mba nanana/ finoana fa/ vao voadona dia efa mianjera !

Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao
Fa ny Tompo dia tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no maningatsingana sasa-miarina fa voafingana
Fa ny Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao

Fa ianao tia ny mialangalana, Te hiverina antsa-dàlana
Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao