Asa Mampandroso - Pasteur Josoa Rakotonirainy

Pasteur Josoa Rakotonirainy

Do dia Do
3/4 Mientanentana
Atolotra ny Diakona eto amin'ny FPMA La Réunion - Oktobra 2005


Asa mampandroso sy mampahery koa
No iantsoana antsika handeha sy hamoa
Hiaraka hiandry ny ondrin'ny Jesoa
Zao tontolo izao no itondrana soa

Ref : Koa mahereza re e, ary matanjaha hatrany
Dia tena itokio Jesoa, ekeo ny hatsarany!

Tena sarobidy, tandrovy lalandava
Ny firaisantsika arovy tsy ho rava
Hafatra ho antsika anie ny mifankatia
Ny hizarazara ataovy sanatria

Tomponay malala ô tahio ny olonao
Tano tsy hiala hifikitra Aminao
Vonona tokoa hanolotra ny tena
Hiasa an-kafaliana manaiky tsy terena

Ny herinao ry Tompo aoka re ho herinay
Anao ny fanjakana, mandrakizay amen!