AVIA HITSAOKA AZY - Jimmy Lala

Page 1 / –
Chargement de la partition…
Jimmy Lala

Fanamarihana:
1-Hira fahadimy (5/7) (chorus VB) ao amin’ny Ôratôriô Krismasy.
2-Ny marika “IM” dia “intermezzo musicale”: misy filalaovan’ny
orkestra ary miato aloha ny Chorus


1-Anjely an’alina nihira hoe:
Voninahitra amin’ny Avo indrindra
Ho an’Andriamanitra irery anie!
Fiadanana ho an’ny ankasitrahany.
Fiverenana:
Avia hitsaoka Azy:
Andriamanitra avy mba mamangy:
Andrian’ny Fiadanana, Imanoela.
Andriamanitra Mahery,
Manetretena ianao: mandohalika!
Fitiavan-dehibe nidinany ho ambany,
Hiakaranao ho ambony.

2-Ny mpiandry ondry dia faly tokoa
Tao an-tranonomby nahita an’i Jesoa
Ary nankalaza an’Andriamanitra
Efa tonga ny Mpamonjy avy any an-danitra;

3-Taty aoriana koa indreo ny Magy
Volamena, miora sy zava-manitra:
Natolotra ny Zaza vao mianatra mandeha
Mahate-hidera izany: zava-dehibe.

4- Hiraina solfa ny andalana 1,2
HIraina "lalala" ny andalana 3,4