Efa anananao ve? - A.Hoffman/Rajoelison

A.Hoffman/Rajoelison

Do dia Db 3/4
Fihirana advantista 114
https://www.youtube.com/watch?v=IRf4QkyKYtE


1. Efa anananao ve ny fiadanan'ny fo
Zay atolotr'i Jesoa izao
'Lay fitiavany be mahatoky tokoa
Moa ve efa noraisinao

Fiv :
Atolory anio ho fanatitra soa
Ny fonao fa iriny izao
Eny ny andronao koa
Dia ilainy avokoa
Moa tsy homenao hatrizao

2. Efa anananao ve zany herin'ny fo
Zay atolotr'i Jesoa izao
Ny fitiavany re, manda mafy tokoa
Fiarovana mafy ho anao

3. Efa anananao ve ho fiainan'ny fo
Zay atolotr'i Jesoa izao
Ny fitiavany anie tena aina tokoa
Zay hamelona re ny ainao