Fanekena - Paroles: Filoha J. L. Rajoelisolo

Paroles: Filoha J. L. Rajoelisolo

Hiran'ny fanekena skoto


1/ Eo anatrehenao, ry Ray
No ekeko izao.
Hanompo anao mandrakizay
Dia ho anao

Isan'andininy:
Ny tena sy ny saina
Sy ny fanahy
Hibanjina ilay aina
Fa Lehilahy / Nomenao ahy

2/ Hitia ny Fireneko
No ekeko izao
Ny antsony dia reko
Miantso izao

3/ Fitiavana ny namana
No ekeko izao
Na ny ory na ny manana
Mitovy izao

4/ Ireo lalàna folo
No hotoaviko
Izao no hijoro
Tsy laviko