Feo miantso
1-injay misy feo miantso reko
Toa feo miangavy mora hoe
Atolory ahy izay entanao
Zakaiko koa ny hasasaranao
Feo mahalala izay ilaiko
Mahita ny adin-tsaiko
Feo te hilaza izay ao am-po
Fitiavany ahy tsy mba roa
Tompo ô ny Antso ao reko
Fony izao mbola tsy Nino
Dia nataoko tao am-babeko
Izay mihatra Mila Hamolaka
Saingy izao miditra ao am-poko
Ilay fitia natolotrao ahy
Mampitony sento toloko
Foana teo ny hasasarako am-panahy
2-Moa ve ny entanao rehetra
Sy izay mandreran-tsaina Anao
Efa natolotra an'i Jesoa
Izy maniry ho namanao
Ny vesatry ny ferin'Aina
Ny loza manjo rehetra
Ny ahiahy tebitebim-po
Omeo Azy avokoa
Dia alao am'izay reo sento
F'efa tojo famonjena
Matokia ny fiainana eto
Manontolo ho eo an-tanany
Mandondona ao am-po 'lay feony
Dia fitia tsy mba voafetra
Hasambarana no Omeny
Misy zoky manampy antsika anie....
Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
(fytam's kwelly)