Fitia tsy misy tambiny - Tojo Randrianaivojaona

Tojo Randrianaivojaona

Do dia C 4/4

Xème Choralie-Bordeaux


Fitia tsy misy tambiny tsy manam-paharoa no atalony anao
Fitia manjary fitahiana mampitoetra soa sy fifaliana koa
Sambatra ianao izay mandre sy mahatsapa fa nomeny famonjena
Fa hiadana am-panahy sy ho lavitra ahiahy ny androm-piainana

Akaikinao no mahatsara ahy
Ry Jesoa o ! Mpamonjiko Ianao
Fa ianao ihany anie no hifaharako
Ampy ahy tokoa Ianao, ry Ilay Mpanjakako
Dia haharitra ho doria, hiara dia, hifankatia

Na ny tsy mino aza anie dia mba mifankatia sy mifanao soa
Saingy tsy misy manantena fiainam-baovao ao amin'i Jesoa
Fa ny fitia arahina finoana no takian'ny Tompo aminao
Sy hitandrina ny teny rehetra izay nomeny amin'ny fiainana