Fitiavanao - Ny Itokiana Tsihoarana Mandimbimiarana

Ny Itokiana Tsihoarana Mandimbimiarana

https://youtu.be/Y0n3DsnYVKg?si=eXxj0S107_JILuwL

SVM Andon'i Hermona Soavinandriana Itasy


1. Mahatsiaro sambatra aho, manana anao
Mahatsiaro sambatra aho, satria tinao
Jesosy ôh, Mpamonjiko, mamiko loatra e
Ny miaina ambany elatrao, n’aiza misy ahy

Ireo zava-boahary manodidina ahy
Maneho amiko ny hatsaranao

Ref.
Ka ny fitiavanao ry Kristy
No ekeko hibaiko ahy hatrany
Tsy mila hafa intsony aho Tompo ô
F’ianao dia ampy ahy.

2. Raha mbola velona aho, Jesoa malala ô
Ny androko rehetra izay mbola omenao
Ny voadiko ataoko Anao, tsy hiova izany
Hitory hatrany ilay fitiavanao

Izao tontolo izao tsy ahasarika ahy
F’ianao Jesosy ô, nambabo ity foko

Ref.
Ka ny fitiavanao ry Kristy
No ekeko hibaiko ahy hatrany
Tsy mila hafa intsony aho Tompo ô
F’ianao dia ampy ahy.