Hafatra - Derasoa RASOLOSATA Anjaratiana

Derasoa RASOLOSATA Anjaratiana

Bà gasy, mientanentana


1- Hafatra ho anao
Ry mpanjehy ny andro ho lava
Izay rehetra vitanao
Ho entina hitsaràna
Ka asa raha toa mba fantatrao
Zava-poana ny eto an-tany
Lanitra no andrandrao
Fa ny eto mandalo ihany

2- Hafatra ho anao
Ry ilay nomena talenta
Sao mba nalevinao
'Ndeha ka miheritrereta
Fandrao ho alaina aminao
Izay kely mba nomena
Diniho izay atao
Ry velona ô! mitandrema

Réf: 'Ndeha ka manenena ny ratsy vitanao
Tena faharesena izao ataonao izao
Aoka hitomban-dahy ary mifahara
Ho mpiady sahy hiady ny ady tsara