He Tsaroako Jeso! - RANDRIAMANANA NOELSON

RANDRIAMANANA NOELSON

Do dia Ab (gamme mineure de F)


1- He tsaroako Jeso 'Lay Fitiavanao ahy
Fa mpanota aho tsy nafoinao, tianao!
Ka Ianao indray no nijaly mafy tety
Niaritra fahoriana tokoa...

Maty Ianao mba ho ahy
Dia ho Lovako rahatrizay!
'Ty ny foko Jeso mahatsapa ny soa
Nomenao ahy dia ho tia Anao!

2- Ireo latsa sy eso natao taminao
Ireo jaly naningotra koa ny Ainao!
Nekenao nanasitrana ny aretiko
Nanadiovanao ny otako!

3- Faniriako Jeso ny hanao toa Anao
Ny ho tia 'zay manenjika ahy, tsy tia ahy
Ka ny Herinao mitahy sy manavao
Tokiko sy mahatonga ahy ho sahy!