Ho fanasina - Josoa RAKOTONIRAINY

Josoa RAKOTONIRAINY

Tonony sy feony : Josoa RAKOTONIRAINY
Do dia Re
2/4
Milantolanto


1.
Ho fanasina hanasoa ny tany
No iantsoan'ny Tompo antsika izao
Tendry tsara ho antsika izany
Ka ekeo sady tanteraho

Isan'andininy
Koa mitsangàna mandrosoa
homban'Ilay Tsitoha
Koa mba minoa matokia
Ilay Tompotsika tia

2.
Ka ny asantsika sy ny toetra
No ho aro sy ho tsiro koa
Hanavao ny fiainana rehetra
Ka ny ratsy dia hody soa

3.
Sanatria isika izay hivaona
Ka hatsatso, hamarara koa
Raja izany, ho raraka ho foana
Ilay ilo efa mby an-doha