Ho Fankalazana ny Hazo Noely - Jimmy Lala

Page 1 / –
Chargement de la partition…
Jimmy Lala

Hira Krismasy. 12/8 ny paika ary somary atao milantolanto. Ny fehezanteny farany "ritenuto" dia atao miadana sady tsindriana tsara ny vaninteny.


1- Ho fankalazana ny Hazo Noely
Ho fiarahabana Ilay Zazakely
Tsarovy ny Anjely an’alina mihoatra,
Hiran-danitra kanto miavaka loatra: Taratry ny any an-koatra.
Ny Voninahitra an-tampon’ny loha:
Hoderaina hatrany Jehovah Tsitoha,
Ilay Avo Indrindra tsy manan-tsahala
Nifidy antsika ho hany malala.
Dia ny fiadanany ho amintsika
Fa ankasitrahany na dia maditra;
Tsy hoe tena tsara tsy misy kilema,
Fa tiany dia tiany tokoa hovonjena.

2- Ho fankalazana ny Kirisimasy
Hotsarovantsika aza mangasihasy:
Na ny Mpiandry ondry tantsaha mahonena,
Na koa ny Magy izay mpanakarena: samy nanetritena!
Tonga nitsaoka Ilay Zaza Mpanjaka
Na dia tranonomby aza no hany mba lapa;
Ka indro Heroda natahotra ihany:
Fa hoe hanongana ny fanjakany
Nampamonoiny ireo zazakely
Fahoriambe sy alahelo no niely
Kanefa i Jesoa hitondra hafaliana
Ho fampatoniana fangirifiriana.

3- Ny Andro Noelintsika ankehitriny
Tsy hoe tranonomby na tranom-bahiny
Tsy hoe mpiandry ondry izay mankalaza,
Na Magy, na Herôda mpamono zaza: Ary ianao mifohaza!
Jesoa Mpanjaka Andriamanitry ny Avo
Mandona ao am-po aza atao mavomavo,
Fa Izy Sakaiza sy tsy mba mandao.
Nefa manaja ny safidinao.
Tompo, Mpamonjy, Izy ange no Jesoa
“Amintsika Andriamanitra” ka dia minoa
Ny K(i)risimasy, Noely eran-tany:
“Ny helokao voadio tamin’ny rany”.