3-11. 11. 3-11. 11
1- Rehefa tapitra ny asako ety an-tany ety
Ka hiampita ilay ony mampanahy,
Dia ho fantatro avy hatrany Ilay Mpamonjy tia
Ary ny tsikiny no hampandrosoa ahy.
Fiverenana:
(1&2) Ho fantatro avy hatrany Izy
(3&4) Ho fantatro avy hatrany
Ho eo anilany aho hotantanany,
(1) Ho fantatro avy hatrany Izy,
(2&3&4) Ho fantatro avy hatrany
Misy diam-pantsika ny tanany.
2-Diboky ny hafaliana, haravoana ato amiko
Rehefa ho tsinjoko ny tarehiny,
Dia hidera Azy avy hatrany ny fanahiko,
Ary handrandraiko ho sakambininy.
3- Ireo havana efa lasa hikopakopaka
Mba hiara-paly hifaly avanja koa
Tsara izany nefa izaho tsy hikoropaka
Fa voalohan-dalana dia i Jesoa.
4-Miala ny vavahady amin’ny akanjo fotsy be
Tsy mba hisy ranomaso etsy sy eroa,
Ary tsanta sy hiram-piderana koa no re
Fa ny mahamaika ahy: ny Tompoko.