1 - Ho santariko eto anio izao
Ilay fiainan-danitra
Anio aho Jeso mandray anao
Ho lovako maharitra
REF : Niantso ahy Ianao hatram’izay
Saingy ninia aho tsy namaly
Tsy navelanao hangahiahy
Noraisinao ny tanako
2- Mifarana hatreo ihany koa
Ireo fanao tsy mahasoa
Nanimba ny fianako taloha
Nampalahelo Anao tokoa
REF : Niantso ahy Ianao hatram’izay
Saingy ninia aho tsy namaly
Tsy navelanao hangahiahy
Noraisinao ny tanako
3- Ho santariko eto anio izao
Ilay fiainam-baovao
Satria aho nomenao fo vaovao
Idirako an-dapanao
PONT:
Niantso ahy Ianao (2x)
Hanao ny asanao
Vonona aho
Hisantatr’ilay
Fiainan-danitra