Ianao ry Noely
1-ianao ry Noely ô 'zay efa nandrasana
Dia mba antenaina hitondra fiadanana
Ka ny Noelinay anie ho feno hasambarana
Satria efa tonga jesosy Tompo tia
2-ianao ry Noely ô dia mba irinay koa
Hitondra Hasambarana ho an' ny firenena
Ka hanjaka ao anie ny fifankatiavana
Hitondra fiainana fiainam-baovao
[ Ka ny Noelinay anie ]
Ho feno ho feno hasambarana
[Satria efa]
Efa tonga Jesosy Tompo tia
[mba hamonjy]
Mba hamonjy ireo 'izay mibebaka
[haleloia]
haleloia derao ny Mpamonjy
Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
(fytam's kwelly)