Ilay fitia - RAKOTOARIVELO Rijaniaina Tantely

RAKOTOARIVELO Rijaniaina Tantely

Do dia Eb


1) Ilay fitia izay avy Aminao ry Jesoa (Jesoa)
No nampiray ireto olon-droa (olon-droa)
Hiara-dia mandrakizay doria
Satria nampiraisinao tamin'ilay fitia

Ref: Fa avy Aminao ny fitia
Ilay tsy mba maty fa ho doria
Maharitra ho mandrakizay
Ka ity tokatrano ity
Izay nohamasininao
Miorina amin'ilay fitia
Miorina ao Aminao Jesoa tia

2)Ankehitriny mitambatra ho nofo iray (izy roa)
Tanteraka ilay nofy fahizay (fahizay)
Hiara-dia mandrakizay doria
Misaotra Anao izahay ry Tompon'ny fitia

Ref...

Ending: Ka na tafiotra aza re
Tsy hahavono ny afon'ny fitia
Satria manana Anao Kristy
Ka ity tokatrano ity
Izay miorina ao Aminao
Mitaratra ny voninahitrao
Satria manjaka ao ilay fitianao