Indro ny Famonjena - Jordan

Jordan

Do dia Bb

https://www.youtube.com/watch?v=EHX9fcn6H7c


Indro, Indro ny famonjena
Te hibaliaka eto amintsika
Hiahy ny firenena
Zovy ? Zovy no tsy nandre ?
Ny teny tsara 'zay manambara
Fitiavan-dehibe !

Indro miposaka eto 'zao ny mazava
’Lay haizim-be taloha indro fa nisava
Ampy mizara izany tarany
Ka isam-baravarana samy mahazo ny anjarany

Jeso nanetry tena
Tonga hisolo voina
Sy mba ho famonjena
Ireo mody tsy nanoina (Indro ny famonjena)
Ho anao no nihaviany
Hisolo ny helokao
Hitoetra eo aminao no iriany
Ho manda aronao

Fitiavan-tsy vidina
Na hoe sandaina vola
Kanefa nandaniana
Fitia tsy mety tola (Indro ny famonjena)
Ny Lahitokanay aza
Nataony sorona
Ka dia nahoana no tsy handray Ianao tolorana ?