Jesoa avo indrindra - Ndrema RALIBERA

Ndrema RALIBERA

Do dia D
Falifaly


Jesoa avo indrindra
Toky tsy mifindra
Fototry ny hasambarako
Azo itokiana
Mameno hafaliana
Ianao no hifaharako

Lehibe tokoa ianao sy mahery koa
Ka manova, manavao sady mampifoha
Izay miankina Aminao mahatsapa tokoa
Fa Ianao tsy mba mandao na inona manjo

Fitiavana Ianao nanome anay
Ilay didy vaovao tena mampiray
Ny fahasoavanao indray ampy ho anay tokoa
Fiainana mandrakizay no indro lova soa