Katsaho aloha - Ramanankoraisina Eugène A.

Ramanankoraisina Eugène A.

Ramanankoraisina Eugène A.
Do dia D
6/8
Milantolanto


Moa ve mba fantatrao sy mba nosaininao
Fa ny eto an-tany tsisy fiadanan-tsaina

F'izay irin'ny fo sy heverina ho soa
Dia zava-poana ihany na mamiratra aok'izany

Fa ny azo hitokiana
Hanome fifaliana tsy hita lany
Tsy iza fa Kristy

Katsaho aloha ny hitoerany ao anatinao
Fa aza lany andro amin'izao hita izao
Mba jereo ny vorona any an'ala
F'izy ireny, fa izy ireny tsy mamafy na mijinja
Kanefa tsy manana ahiahy
Fa ny Tompo no momba sy mitahy