Krisy Velona - Edith Patricia RAJAONARIFETRA

Edith Patricia RAJAONARIFETRA

Chant à 4voix. Hymne 45è année d'existence de la FKMA. Eglise chrétienne Malagasy Abidjan Côte d'ivoire. (2026)

Endrey Ny Hafaliana Tratr’izao Anio
Ny Fiangonanao Mijoro Ambany hasoavanao
Jesoa Ilay Tena Vatolampy izay Iorenany,
Dia tsy Miova Omaly, Anio Ary Mandrakizay
Feo Miray, Manambara Finoana
Kristy Velona Ato Anaty, Tsy Hamela Hirona
Mijoro Sahy, Mitondra Hazavana
Ampy Mizara Ny Fitiavany – Derao Mandrakizay

Ireo Efa Nahazo Maimaimpoana
Dia Irahinao Hitory Sy Hitaona
Ho Ao Ambalanao Jesoa, Mba Tsisy Hania,
Satria Tianao Hovonjena, Iray Ao Aminao
Feo Miray, Manambara Finoana
Kristy Velona Ato Anaty, Tsy Hamela Hirona
Mijoro Sahy, Mitondra Hazavana
Ampy Mizara Ny Fitiavany – Derao Mandrakizay

Mivavaka izahay, Ombao Ry Fanahy
Hampitombo Ny Talenta, Sy Hafanan’ny Fo
Ka Hikatsaka Hatrany Ny Sitrakao Ry Ray
Miara-belona amin’Ilay Jesoa Tompo Soa
Feo Miray, Manambara Finoana
Kristy Velona Ato Anaty, Tsy Hamela Hirona
Mijoro Sahy, Mitondra Hazavana
Ampy Mizara Ny Fitiavany – Derao Mandrakizay

Feo Miray, Manambara Finoana
Kristy Velona Ato Anaty, Tsy Hamela Hirona
Mijoro Sahy, Mitondra Hazavana
Ampy Mizara Ny Fitiavany – Derao(Derao), Derao - Derao Mandrakizay !