Lalam-baovao - RAKOTO - NIRIANA TSIRY HARIRAVO

RAKOTO - NIRIANA TSIRY HARIRAVO

Do = D , 4/4 Mientana tsara
RAKOTO - NIRIANA TSIRY HARIRAVO (FJKM Merimanjaka Fideràna S/P AA11)


1- Hitako izao (ny) ny lalan-tsara
ka izorako amin-toky, tsy amin-tahotra
Tsy iza moa izay fa ‘lay Tompo tsara
‘zay tonga teto an-tany hamonjy ny fanahy;
Nitony avy hatrany ‘reo fanaintainako
raha nandray Azy aho ho Tompon’ny fiainako.

2- Hafaliam-be (no) no nisalorako
raha ny haizina nandrakotra ny fiainako
no e! nanjary tonga maraina vaovao
ka tretrika ny foko nahazo hery vao;
Reo tahotro fahiny izay namatotra ahy
nandao raha nisehoan’ny voninahiny.

3– Ambarako aminao fa ny Tompo Ray tsitoha
be fiantra, tsy mandao, be famindram-po
Miandry foana anao Izy ho am-balany ao
andeha mitsangàna, andeha mba izahao;
Lehibe ny fitiavan’Andriamanitra
Andeha mirosoa fa handova lanitra.

JESO no tsara, Tompo tsara ! (bis)
JESO no tsara a ! Tompo tsara...
JESO no tsara e, Tompo tsara ! (bis)
JESO no tsara e !..