Lehibe ny fahatokiana - Thomas O. Chrison

Thomas O. Chrison

Do dia Eb 3/4
Great is Thy Faithfulness


Andriamanitra O, Ray be fiantra
He lehibe tokoa ny antranao
Tsy misy vonjy re raha lavitra Anao
Ny famindramponao mandrakizay

Ref : Tsy manam-paharoa ny famindramponao
Tsy manampetra ny fitiavanao
Hianao Jehovah o, no antenaiko
Anjarako Ianao, mandrakizay

Ny fahavaratra sy lohataona,
Ny masoandro sy ny volana
Izao rehetra izao dia manambara
Ny famindramponao mandrakizay

Famelankeloka sy fitahiana
No mampifaly ny fanahiko
Fanantenana sy hery vaovao re
Atafinao ny fo, Jehovah o!