Manakoako fatratra - Ramilison Paul

Ramilison Paul

hira Noely


Manakoako fatratra

1-Manakoako fatratra
Ny lazanao ry Noely
Fa maminay sy tianay
'lay zanak' Andriamanitra
Ny hanitrao ry Noely
Mitondra fofon-danitra
Ô arahaba no atao
Nahazo famonjena masina

2-Ny avotrao ry Tompo soa
Dia feno fitiavana
Isaoranay anio tokoa
Ianao madio sy masina
Nandao ny fiandriananao
Ka nidina hanasoanay
Ô arahaba no Atao
Nahazo famonjena masina

3-Ry velona, mihaino anio
Ingao ny hira soanao
Hanandratra ilay kristy
Mpamonjy ny fanahinao
Venteso mafy mba ho re
Ny fiderana lehibe
Ô arahaba no atao
Nahazo famonjena

Isan'andininy:
Fa maminay sy tianay
Ilay jesosy Tomposoa
Fa maminay sy tianay
Ilay jesosy Tomposoa

Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
(fytam's kwelly)