Mihobià ho an'i Jehovah - Ramanantseheno Marcel

Ramanantseheno Marcel

Salamo faha 100
Dô dia G - 4/4 - Mavitrika
Bà gasy


Mihobia ho an’i Jehovah ry tany rehetra.
Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana,
Mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.

Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra,
Izy no nanao antsika, ary Azy isika,
Dia olony sy ondry fiandriny

Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana.
Ary eo an-kianjany amin’ny fiderana,
Misaora Azy, mankalazà ny anarany.

Fa tsara Jehovah;
Mandrakizay’ny famindrampony
Ary mihatra amin’ny taranaka faramandimby
Ny fahamarinany.