Mijoroa - RAMAROLAHY Mahazosoa Nirina

RAMAROLAHY Mahazosoa Nirina

Hira Faneva Faha 50 taona FJKM


1- Taona maro no efa nijoroana
Nitoriana Teny mahasoa
Nihazomanao ny finoana
Ry Fiangona-mamin'ni Jesoa

Isan'andininy:
Tsy fanahy osa fa mahery no nomena
Sady be fitiavana no mahafehy tena
Aoka tsy ho menatra fa mba hijoro hatrany
Ho vavolom-belon'i Jesoa ihany

2- Koa sahia, tano ny fanilo
Eto anivon'ity Nosy ity
Ho fahazavana ka hitsilo
Ny haizina mandrakotra aty

3- Mila anao ny Tompo ankehitriny
Ry fiangonana ô!
Ka mijoroa miaingà fa Ianao no iriny
Mba ho irany tokoa tokoa