Misaora an'i Jehovah - Tana Gospel Choir

Tana Gospel Choir

https://www.youtube.com/watch?v=1baLUbUsxEQ

TGC


Misaora an'I Jehovah, ry fanahiko
Izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
Misaora an'I Jehovah, ry fanahiko;
Aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

Ref: Izay mamela ny helokao rehetra,
Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,
Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao eh

Ianao, Ianao, Ianao Jehovah Ray
Ianao, Rain'ny mandrakizay (x2)

Amen, Amen, Haleoia
Amen, Haleoia (x2)