Misaotra Anao izahay - Ndriana RAMAMONJY

Ndriana RAMAMONJY

Do dia F 3/4
https://youtu.be/yYkJaenZWw4?t=20


1. Misaotra Anao ‘zahay ry Ray noho ny fitiavanao
Ny haizin-kitroka misy ahy indro fa nidiranao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera Anao

Isan’andininy
Inona ary no havaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera Anao

2. Na dia tsy mendrika ry Ray ireto te hidera Anao
Dia notoloranao tokoa ny fanavotan-dehibe
Na dia mahantra aza re dia novidian’ny zanakao
Tamin’ny ràny izay madio mba isan’ny Anao

3. Dia menatra tokoa ry Ray hifanatrika Aminao
Kanefa noho ny zanakao dia indro fa manatona
Nanery ahy izany foko resin’ny Fitiavanao
‘Lay fo maniry mafy Anao ka indro hanjakao