NIVILY LALANA NY MAGY - Jimmy Lala

Page 1 / –
Chargement de la partition…
Jimmy Lala

Ôratôriô Krismasy, Orkestra sy Chorus miaraka.
1-Hira faha-6 (chorus VIB) ao amin’ny Ôratôriô Krismasy.
2-Rehefa misy D.C. na D.S. dia ny tiona no miverina fa ny tononkira dia manohy hatrany
3-Ny marika “IM” dia “intermezzo musicale”: misy filalaovan’ny orkestra ary miato aloha ny Chorus


Nohafatrafaran’i Herôda mafy
Mba hilaza hoe izay misy ny Zaza,
Fa izy koa aoka mba hitsaoka
Nefa ny ao am-pony dia zary lonilony.
Fa nivily lalana re ny Magy
Rehefa nilaza ireo Anjely
Tsy niverina nankany an-drova,
Tonga dia nanitsy namonjy fodiana
Ka zendana sy nisafoaka
Ilay Herôda olon-doza.
Ny hatezerany nipoaka
Hangeja toy ny foza.
Ka loza, ka loza, ka loza!
Fa nampamonoiny daholo ange ny zaza tao Betlehema
Fa hoy izy hoe, dia romotra be:
Gina izay nandre hoe:
“Ny zazakely, hatramin’ny roa taona anaty:
Vonoy ho faty!”.