Ny famindram-ponao - Ventso Randr

Ventso Randr

Tonalite Ré
110 (afaka atao miadana nefa)
Classique


Maro ireo fahotako, tsy vitsy koa ny adalako
Mila handredrika ahy, fa teo Ianao ilay tsy mandao
Misaotra Anao fa Ianao no masina, na dia mpanota
Dia nomenao fiainana mandrakizay.

Ao aminao no misy hery, fialofana natolotrao
Ny tahotro rehetra dila, fa teo foana ny herinao
Misaotra Anao nampisava ny haizina,
Na dia mpanota dia nomenao fiainana feno hazavana.

Koa ho anao izay mandre, saino sy dinio ny lalanao
Raiso ny famonjena izay atolony ho anao
Misaotra Anao fa Ianao no masina, na dia mpanota
Dia nomenao fiainana mandrakizay.