Ny fitiavanao - W.Elmo,Bessa

W.Elmo,Bessa


Ny fitiavanao

1-Ny fitiavanao hazavàna mahay
Manitsy ny dianay
Ny fitiavanao ritso-drivotr'izay
Mandrotsy ny alinay
Tsy tratry ny saina satria
Mahery tafidina aty
Ny fitiavanao mahagaga fa dia
Izao avy aza mba tianao

2-Ny fitiavanao fanamperan'ny Soa
Miboiboika ao am-po
Ny fitiavanao toy ny rano madio
Omaly ary koa Anio
Inoako fa misy tokoa
Ny lapa homen'i Jesoa
Io fiadanan'io
Azo toky satria
Atolotr'i Jesoa Tia

Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
(fytam's kwelly)